Teny fanolorana (Tonga soa)

Hits: 3162

Ry Havana,

“Fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin’ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin’izay anananao rehetra”. ( I Sam25.6 b) ; izany no firariantsoa tonononay aminao izay mitsidika ity tranokalan’ny Fiangonana FJKM Kebeka – KANADA.

Araka ny baikon’i Jesoa Kristy dia ny hitory ny Filazantsara amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo maneran-tany no tanjona mba hahatonga an’izao tontolo izao handray ny famonjena.
Natao izao tranokalo izao noho izany, ho fampaherezana, ho fampianarana, ho fanitsiana izay diso .
Izany ezaka izany dia manomboka eto Kebeka manerana an’i KANADA, ary hatrany amin’ny faran’ny tany mihintsy , ka ho tena Filazantsara , manova ny tantara tokoa no ho hita sy ho tsapa ary hiainan’ny isambatan’olona.
Mazotoa manaraka ny tranokalantsika Tompoko.

“Miorena tsara, aza miova ” I Kor 15. 58

Ny Mpitandrina
RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA Ndrianja