ny Tenin’Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny Baiboly sy izay hazavaina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no raisina ho loharano sy fitsipiky ny finoana sy fiainana
ny fijoroany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiarahamonina no anehoany ny maha-fanasina sy fahazavana azy eo anivon’ny voahary manontolo sy izao tontolo izao
Zava-kendreny
Ny STK dia mandray ho adidy ny mitory ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra (Mar. 16: 15) ary indrindra manabe sy mikolokolo ny tanora.
Manao izay hahatonga azy ireo:
hahery, hitoetra amin’ny Tenin’Andriamanitra ka handresy ny asan’ilay ratsy (I Jao. 2: 4-14b)