Dorkasy

Hits: 1879

Sampana Dorkasy

FJKM QUÉBEC

Foto-kevitra hijoroany

Ny anarana hoe : “DORKASY” dia nalaina avy amin’ny tantaran’ilay vehivavy mpanao asa soa sy fiantrana voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:36 – 43 atao hoe Tabita. Araka ny voalazan’ny Soratra Masina dia be ny asa soa sy fihantrana nataon’izany vehivavy izany.

Ny Dorkasy dia sampana hiantsoana ny vehivavy rehetra mihoatra ny 15 taona eo anivon’ny fiangonana, na Mpandray ny Fanasàn’ny Tompo na tsia.

Zava-kendrena

Ankoatra ny Asa fitoriana dia ny tarigetran’ny Sampana Dorkasy FJKM dia ny hoe : “asa soa sy fihantrana, fifanampiana ary  famangiana”.

Asa fijoroana vavolombelona maro no miandry ny Dorkasy toy ny Asa fanasoavana, Asa sosialy, fifanampiana, sns, izay atao eto anivon’ny Fiangonana sy manerana ny tanànan’i Québec izay nametrahan’ny Tompo ity fiangonana ity.

Isan’ny Asa vinain’ny Sampana ny Hitory sy hanambara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy  ary hanolokolo sy hitaiza ny tanora sy ny ankizy ary ny olon-dehibe amin’ny alalan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra (saina, vatana, fanahy).

 

Ireo mpiandraikitra

Birao ny Sampana Dorkasy

Maria Ramaholison, Domohina Rabeharitsara, Bako Randriarison, Mirana Razafimandimby, Lolona Raokotobe, Mirana Rajaonimaria, Dina Ravelonananahary

VAOVAON'NY SAMPANA

raki-tsary samihafa