Lehilahy Kristiana

Hits: 1569

Foto-kevitra hijoroany

Ny Sampana lehilahy kristiana (SLK) dia mitaiza sy manolokolo ny Lehilahy ho fampandrosoana ny Fiangonana ka hahatonga azy ho lehilahy:

  • Manankina ny fiainany sy ny ankohonany amin’Andriamanitra (Josoa. 24: 15)
  • Modely halain-tahaka amin’ny Finoana an’i Jesoa Kristy (I Tim. 2: 8)
  • Mitory sy manambara ny Tenin’Andriamanitra sy ny Famonjen’i Kristy (Tit. 2:1-2)
  • Mandray andraikitra eo amin’ny fanolokoloana sy fitaizana ary fanabeazana ny lehilahy sy ny olona manontolo.

Zava-kendreny

Ny SLK dia hitory ny Filazantsara amin’ny olona rehetra indrindra fa ny lehilahy mba hahatonga azy ho Lehilahy Kristiana:

  • Mpitarika mahomby
  • Mpandray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo mba ho “lehilahy lehibe mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” (Sal. 22: 22/ Efe. 4: 13)

Fivoriana ara-potoana

Omena antsika miandalana eto amin’ny tranokala ny fotoam-pivoriana ara-potoanan’ny sampana aoriana kely.

Ireo mpiandraikitra

Ny Birao SLK - FJKM Québec

Andriamamonjy Serge (Filoha), Razanajaona Gino (Filoha mpanampy), Andriamasinoro Haga (Mpitantsoratra), Ramangamananarivo Nary (Mpitahiry vola), Ramanoelina Andry (Mpitantsoratra ny vola), Rakotozandriny Ny Andry (Mpanolontsaina), Rahaingoalison Tony (Mpanolontsaina)

450-812-4385

hira faneva ny sampana slk

raki-tsary samihafa