Hits: 756 FIFOHAZANA FJKM QUÉBEC Foto-kevitra hijoroany Ny Sampana Fifohazana (SaFif) dia:Iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana omen’ny Tompo ny Fiangonany araka ny Soratra Masina (I Kor. 12: 4)Ny Fanahy Masina ao anatin’ny Fiangonana no mampisy sy mitarika ary mampiasa azy (Joe. 3)Natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany izy ary Kristy Jesoa no fehizorony (Efe. 2: 20)Ny Fifohazana dia ao anatin’ny Fiangonana (Efe. 2: 19-22) ary asan’ny Fiangonana no ataony, araka ny fanomezam-pahasoavana manokana noraisiny (Asa 1: 8; 2: 38, 39; Efe. 4: 11–12) Zava-kendreny Ny SaFif dia miezaka ny:Mitory ny Filazantsara, mamoaka demonia, mametra-tanana ary manasitrana marary (Mar. 16: 15-20)Mampandroso ny Fiangonana amin’ny zava-panahy (I Kor. 14: 12)Mitady ny hisian’ny fampiraisana (Jao. 17: 21)Miaina ny fifankatiavana kristiana (Jao. 13: 34–35) Fivoriana ara-potoana Vondrom-bavakaIsaky ny zoma hariva alohan’ny alahady faharoan’ny volana no fotoanan’ny vondrom-bavaka.Asa sy fampaherezanaIsaky ny alahady faharoa no manatanteraka ny asa sy fampaherezana Ireo mpiandraikitra Biraon'ny sampana Lolona Rakotobe, Milofo Razafimandimby, Hasina Razafindrakoto (Mpitandrina), José Ramarolahy, Tendry Rasamoelina, Zara Rajakoba Vaovaon'ny sampana Vondrom-bavaka Janoary 2018 Fifohazana Vondrom-bavaka Janoary 2018 31 janvier 2018 raki-tsary samihafa
0 Comments