Hits: 906
Azo resahina aty am-piangonana ve ny vola?
- Miisa in-2084 ny Baiboly no miresaka mifandraika amin’ny vola sy ny harena raha tsy misy afa-tsy in-215 ny resaka finoana ary in-208 ny mahakasika ny famonjena. Tsy midika akory izany fa manao ho zava-dehibe ny vola sy ny harena ny Baiboly fa milaza fampianarana sy fampitandremana maro kosa momba azy.
- Jesoa Kristy dia niresaka vola sy harena fony Izy tety an-tany.
- Sarotra ary tsy azo atao ny mampivady ny finoana an’Andriamanitra amin’ny finoana ny vola ho i Jesoa (mamôna no andriamanitry ny vola) ao amin’ny 6: 24. – Nasain’i Jesoa navadika vola ny fananan’ilay mpanankarena mba hanampiany mahantra ary manaraka Azy izy avy eo, araka ny voalazan’ny Lio. 18 : 22.
- Aty am-piangonana dia mahazatra antsika ny manao fanatitra sy ny vokatra aseho amin’ny alalan’ny marika hita maso dia ny vola.
- Ary isan’ny andraikitra fampandehanana ny fiainam-piangonana ny fananantsika « Mpitahirivola » na « Mpitantsoratrinivola ».
Ireo rehetra ireo no midika fa misy resaka vola ary resahana aty am-piangonana ny vola sy ny manodidina azy.
Ny vola aty amin’ny fiainam-piangonana ?
- Mitanisa olona miavaka, nanam-bola sy nanan-karena ny Soratra Masina (Joba, Abrahama, Solomona, Paoly Apostoly, sns).
- Endriky ny fitahiana sy fahasoavana omen’ny Tompo ny olony ny fananana vola amin-karena ( 8 : 21 « Mba hampandovako harena izay tia Ahy, sy hamenoako ny firaketany »).
- Tsy manameloka ny olona manam-bola sy manan-karena mihitsy ny Soratra Masina.
- Ny toetra sy ny fombantsika mitady sy mampiasa azy no hipetrahan’ny olana eo imason’ny Tompo ( 12: 41). Tafiditra ao anatin’izany ireto fomba mahazatra antsika ireto: – Maika hitady majinikarehefa hanao Rakitra – Vola rovitra no atao rakitra fa tsy misy mahita iny – Vola miforitra sy mivalombalona ary maloto no atao fanatitra izay mariky ny tsy fahatsorana manolo-tena ho an’ny Tompo – Tsy mivavaka fa tsy misy rakitra, sns.
- Matetika dia voasarika isika hampitovy an’Andriamanitra amin’ny vola hoy ny Soratra Masina (Mat. 6 : 24).
- Ny fitiavam-bola dia mampitoka-monina sy mampisaraka antsika amin’ny maro satria miaro ny eo an-tanana dia tsy mahatoky ny manodidina intsony. ( 5:8)
Inona ny fandrika manoloana ny vola ?
Azo fehezina amin’ireto ny voalazan’ny Baiboly amin’izany:
- Tandremo fa sao manompo vola ianao fa tsy manompo an’Andriamanitra. ( 3: 5) Fandre aty am-piangonana ny hoe mangala-bola, mangala-drakitra, mihinam-bolam-piangonana, sns.
- Tandremo fa sao andevozin’ny vola ianao ka manadino ny sitrapon’Andriamanitra (Mat. 19: 21 – 24).
- Tandremo fa tsy toerana fitadiavam-bola any am-piangonana (I Tim. 6: 9, 10). Tsy fanao ny mieritreritra fa raha manome ny Fiangonana isika dia hivaly be dia be iny avy eo. Tsotra ny voalaza ao amin’ny Baiboly: “Ataovy am-pitiavana sy amin’ny fo ny asan’Andriamanitra dia anjaran’ny Tompo ny miahy antsika amin’ny endriny maro fa aza miandry valiny”. ( 6: 33).
Fanatitra, vokatra, fanomezana vola ?
- Ny fanaovana fanatitra, vokatra, fanomezana ho an’ny Fiangonana dia tsarovy fa fanomezana sy fanoloran-tena ho an’Andrimanitra.
- Isaky ny hanao fanatitra, na rakitra na fanomezana ho an’ny Fiangonana ianao dia misaora ny Tompo fa nahavita nanavao ny fanoloran-tenanano Aminy indray. Mahagaga ihany ny mahita ny olona sorena mahita ny isan’ny rakitra mihoatra ny iray ao am-piangonana. Ao ny tsy mba manao vokatra fa tsy misy dikany aminy izany.
- Avy amin’ny fitahian’ny Tompo ny vola entinao manao fanatitra koa asehoy Azy fa nandray ianao ary te hisaotra Azy.
- Aza mba mitady tambiny na tombony amin’ny fanaovana Adidy ara-bola any am-piangonana fa ataovy maimaimpoa (Mat 10: 8b “… efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana”).
- Ataovy am-pitiavana araka izay inian’ny fonao ny adidy ara-bolanao eo anivon’ny Fiangonana. (II Kor 9: 7) ary aza mijery ny ataon’ny hafa fa ny adidinao tanterahina. Aza asiana kajikajy fa izay tianao sy heverinao fa vitanao atao.
- Ny fanampiana sy ny fanomezana ny hafa dia endriky ny fanompoana ara-bola atao amin’Andriamanitra ihany koa (Mat. 25: 31 – 46).
- Avelao ny Fanahin’Andriamanitra no miasa ato anatintsika hahafantarantsika izay ataontsika.
- Aza ferana ny fotoana sy ny tranga azonao hanompoana ny Tompo ara-bola fa amin’ny fotoana rehetra hanatanterahana izany dia mivonona hatrany (« Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy » I Kor. 16 : 2.
- Raha sanatria ka tsy mbola resy lahatra tsara ianao ny hanompo ny Tompo amin’ny volanao dia mivavaha Aminy ary hangataho ny Fanahiny Masina hanampy anao.
***
Hasina RAZAFINDRAKOTO, Mpitandrina (FJKM Québec – Canada)
***