Hits: 1068
Tokantrano miana amin'ny fitiavana
Aoka hanjaka ao an-tokantranonao ny fitiavana ka “Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana” I Kor. 16: 14.
Asio fitiavana eo aminareo mivady :
- Mifampizarà sy mifanehoa fitiavana ianareo mivady;
- Mahaiza mankasitraka sy mifanoro ary mifampihaino sy mifanitsy ary mifamela heloka am-pitiavana;
- Fifandraisana ny fitiavanan’ny mpivady koa tsy ny iray ihany no maneho izany fa ianareo roa. “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo … Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo…” 3: 18; Efe. 5: 25;
- Fadio ny fisainana fa efa fitiavan’antitra sy nahazoazo taona ny anareo ka misy fetrany sy tsy mila fanehoam-pitiavana intsony.
Fitiavana eo amin’ny zanaka sy raiamandreny :
- Asehoy fa tinareo ny zanakareo rehetra ary izy ireo koa toy izany;
- Aoka hitovy ny fitiavanareo ny zanakareo rehetra fa tsy misy fitongilanana na fiangarana;
- Tezao ny zanantsika mba ho tia antsika raiamandreniny sao sanatria hitodika any amin’ny hafa ny fitiavany ka handrodana ny tokantranontsika izany;
- Raiamandreny sahy mananatra, sahy manitsy, sahy mihaino, sahy manoro, sahy manafahy, saro-piaro amin’ny zanany no tena tia azy ireny;
- Fadio ny fampihantana tafahoatra ny zanaka fa hisy fiantraikany amin’ny fiainany izany. “Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; ary voninahitry ny zanaka ny rainy” Oha 17: 6.
Fitiavana ny fianakaviana sy ny manodidina antsika (iraitampo aminareo mivady sy ny raiamandreny, sns):
- Lanjalanjao tsara ny fitiavana aseho amin’ny fianakaviana ary tsarovy fa manana tokantrano ianareo ambonin’izany;
- Hifanarahana tsara ny fanehoam-pitiavana azy ireny fa tsy atao an-tsokosoko sy an-kinafinafina.
Fitiavana an’Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy:
- Ampanjakao ao amin’ny tokantranonao ny fitavan’Andriamanitra “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra” Mar. 12: 30
Tokantrano mikaroka fahasambarana
- Tokantrano manam-piadanana sy fifaliana ara-panahy, ara-tsaina ary ara-nofo;
- Tsy ahitana fifandirana sy ady lava, fifamonoana, filibàna sy rendrandra, sns.;
- Tsy hikaroka fahasambarana any amin’ny filibàna sy rendrarendra ary ny fifalian’ny nofo fotsiny ihany;
- Tokantrano ao amin’i Kristy Jesoa irery ihany manovo fasambarana ho azy: “Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray” Kol. 3: 15
Tokantrano mahajoro mahitsy sy tsy mitsingilahila
- Tokantrano mahajoro ary tsy mitsingilahila amin’ny ataony sy ny fiainany (fanapahan-kevitra, fomba fiasa, sns);
- Tokantrano tsy mpanara-drenirano ny ataon’ny hafa no filamatra;
- Tokantranonao tsy menatra ny miseho amin’izay hananany fa tsy mamorona ny tsy misy;
- Tokantrano mahajoro amin’ny finoany sy ny fivavahany fa tsy mirona makatsy, mirona aroa, atsingilahilan’ny fampianarana na fivavahana maro samihafa.
Tokantrano manana sy miaina amin’ny fitsipi-pandaminana
- Raha tokantrano tsy misy fandaminana fa samy manao izay saim-patany dia hikorontana tanteraka ary tsy hijoro mihitsy;
- Mifanaraha amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy fanatanterahan-javatra, sns.;
- Ny fitsipi-pifehezana sy fandaminana ao an-tokantrano dia manampy ny rehetra hitaiza sy hitantana ny fiainany fa tsy gaboraraka (fiteny, fihetsika, talenta, sns);
- Ny tokantrano manana fitsipika sy fandaminana dia mahalala ny honony sy ny fetran’ny azony atao ary ny laharam-pahamehana, sns.
Tokantrano modely sy faka-tahaka
- Aoka mba ho tokantrano modely eo imason’ny rehetra ny ankohonanao. Faka-tahaka sy mahatsiriritra ny hafa amin’ny lafiny rehetra ny tanjona;
- Ny raiamandreny no tokony ho modely ho an’ny zanany izay maka tahaka amin’izy ireo;
- Ny tokantrano môdely dia mihaja sy hajain’ny olona hatrany. “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina ….. fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana,dia fiainana mandrakizay” Sal. 133: 1a, 3b.
Tokantrano miaina amin’ny finoana sy ny vavaka
- Ny atao hoe tokantrano kristiana dia mino sy mivavaka. “…. Fa izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay” Jos 24: 15;
- Ny fivavahana no endrika hanehoana sy hitaizana ary hikolokoloina ny finoana;
- Tsy azo sarahina ny finoana sy ny fivavahana ary tsy mahazo mandeha ila;
- Aza afangaro amin’ny hafa ny finoanao fa hamasino sy hindrahindrao hatrany;
- Aza hoviravirain’ny karazam-pivavahana maro ny tokantranonao ka andeha atsy sy eroa hitaiza ny finoanao fa tsy hahajoro mihitsy ianareo raha manao izany.
Mahereza fa ny Tompo Jesoa no hitantana ny tokantranontsika rehetra !
Hasina RAZAFINDRAKOTO, Mpitandrina (FJKM Québec – Canada)
***