Fivoahana Antsaha Chicoutimi 2022

Hits: 64

9 - 10 Juillet 2022

Tany Chicoutimi, tanàna 200km eo ho eo miala an’i Québec no nanatanterahana ny Fivohana Antsaha tamin’ity taona 2022 ity. Tsy afaka nanao izany ny Fiangonana nandritry ny taona vitsy noho ny COVID koa dia tamin-kafaliana sy tao anatin’ny firahalahiana tokoa no nentina nanatanteraka izany.

Iaorana manokana i Tonton Hervé mianakavy nanokatra ny toerana sy nandray am-pitiavana. Ny Tompo Jesoa hamaly ny soa b dia be nataonareo tamin’ny fiangonaNY

Aogositra 2022 – Tano mafy ny finoana

Hits: 82

Finaritra,

Tonga sahady ity ny volana Aogositra, izay volana fialan-tsasatra saika maneran-tany mihintsy. Ao anatin’ity volana ity koa anefa no hisian’ireo Fihaonambe maro samihafa ato amin’ny FJKM, izay hisian’ny Fifampizarana Fampianarana, Fifanofanana, Fiaraha-mivavaka, Fandinihana Soratra Masina ary koa Fifaliana sy Fifampaherezana ho an’ny FJKM rehetra. Hisantatra izany ny Sampana Sekoly Alahady any Mahajanga ny 2 ka tramin’ny 5 Aogositra 2022. Koa manasa antsika hanaraka azy ireny any amin’ny Facebook ny Sampana Foibe FJKM.

Fa tena fifaliana lehibe ho anay Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Kebeka ihany koa anefa ny manasa sy mampirisika anao hanaraka tsy tapaka ny vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra eto amin’ny tranokalan’ny Fiangonana.

Maro isika no mandeha miala sasatra, ao ireo efa niainga ary efa tafaverina, ao ireo anatiny ary ao kosa ireo mbola mikasa ny hanainga. Dia mampirisika antsika mba hanana fifaliana feno ao anatin’izany, saingy aza adino mandrakariva kosa anefa ny fivavahana any amin’izay misy antsika any. Mazotoa mamonjy ny Fiangonana na manaraka ny fanompoam-pivavahana ampitain-davitry ny fiangonana. Koa dia « Tano mafy ny finoana » araka ny lohahevitra vaovao raisintsika amin’ity volana Aogositra ity.

« Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao » (Apok. 3:11)

Ny Mpitandrina

RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA Ndrianja

22 Oktobra 2020

Hits: 164

Mofonaina

Anaro ny Fiangonana

KORINTIANA VOALOHANY 4 : 14-21
4:14 Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
4:15 Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny filazantsara.
4:16 Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo.
4:17 Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo i Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin’ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin’i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin’ny fiangonana rehetra eny tontolo eny.
4:18 Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
4:19 Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon’ny Tompo, dia ho fantatro izay herin’ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
4:20 Fa ny fanjakan’Andriamanitra tsy amin’ny teny, fa amin’ny hery.
4:21 Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin’ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?

Mampianatra ny Fiangonana tao Korinto iPaoly , ka manoro azy ireo ny tsy fetezan’ny fizarazarana sy ny fireharehana . Avy amin’ny Epistily ity dia taomina koa isika hoe :

Anaro ny Fiangonana

1-Tahaka ny fananaran’ny ray ny zanany (and14,15)

Eo amin’ny and14 dia milaza mihitsy i Paoly hoe : « mananatra anareo toy ny zanako malalako aho » , izany hoe : mametraka ny tenany ho manana adidy amin’ny fanitsiana ny Fiangonana izy na dia somary mahery aza ny teny entiny mananatra ,eny misy esonteny aza indraindray (and15) , dia asehony fa tsy ny hanambany azy ireo no anton’izany fa ny hahatonga saina azy ireo kosa . Isika koa , taomina tsy hitazam-potsiny ny tsy fetezana ao anatin’ny Fiangonana fa hiteny am-pitiavana , hananatra an-kitsimpo tahaka ny ray mananatra ny zanany , fa tsy hijery arina an-tava ka hamela ny Fiangonana hizarazara sy hirehareha . Fanaon’i Jesoa ny manitsy ary henjam-piteny mihitsy aza Izy indraindray (Lio 13.15) . Fitiavana anefa no anton’izany .

2-Mba hanahaka an’i Kristy (and16,17)

Nisy tamin’ny olona sasany tao Korinto mantsy no te- hampivily ny Fiangonana tsy hatoky izay ampianarin’i Paoly intsony , manoloana izany anefa dia mitaona ny Fiangonana i Paoly eo amin’ny and 16 mba hanahaka azy , satria izy (Paoly) efa nanahaka an’i Kristy (1 Kor 11.1) . Koa i Kristy mihitsy no asain’i Paoly alain’ny Fiangonana tahaka , dia i Kristy izay ivon’ny Fiangonana sy antom-pisiany ka amin’i Kristy no mianatra fanetrentena (Fil 2.6) , tsy mirehareha , fa amin’i Kristy no mianatra fitiavana sy fifankatiavana fa tsy mizarazara. Ianao koa , manahafa an’i Kristy ary taomy ny hafa hanahaka anao , hanao toy izany koa . Jesoa rahateo dia mitaona antsika manao hoe: « mianara Amiko » (Mat 11.29b) .

Fanontaniana :

Maninona no tsy misy sahy manitsy ny Fiangonana ny olona na dia mahita tsy fetezana izao aza indraindray ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

21 Oktobra 2020

Hits: 173

Mofonaina

« Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo dia ho tafatoetra ianareo. Minoa ny mpaminaniny dia hambinina ianareo » (and20)

TANTARA FAHAROA 20 : 20-23
20:20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an’efitr’i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo i Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
20:21 Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an’i Jehovah hidera amin’ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan’ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Midera an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony.
20:22 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian’i Jehovah otrika hamely ny taranak’i Amona sy i Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
20:23 Dia nitsangana ny taranak’i Amona sy i Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.

Io teny nataon’i Josafata hanentanana ny Joda hiady amin’ny fahavalon’izy ireo io no mampianatra antsika fa :

Fitaovam-piadiana mahomby :

1-Ny finoana ny Tenin’ Andriamanitra (and20)

Eo amin’ny and 15 dia mampiteny an’i Jahaziela Andriamanitra manao hoe : « Aza matahotra na mivadi-po amin’ireo olona betsaka ireo , fa tsy anareo ny ady fa an’ Andriamanitra  » , dia mbola hamafisiny indray maka izany eo amin’ny and 17 . Ary ny finoana sy fatokiana izany Tenin’Andriamanitra nentin’ny mpaminany izany no mahatonga an’i Josafata tsy misalasala manentana ny olona hino an’i Jehovah raha hiroso . Amin’ny ady tahaka izao matetika dia ny fampivononana ny olona hilahatra sy hanomana ny fitaovam-piadiany no ataon’ny mpitarika , fa eto dia maneho mihitsy i Josafata fa ny finoana no fitaovam-piadiana ilain’izy ireo , ary ny finoana tokana ihany . I Jesoa koa dia mamerina matetika ao amin’ny Filazantsara fa zava-dehibe ary mahavonjy ny finoana.

2-Ny fiderana an’Andriamanitra

Ny fanapahan-kevitra noraisin’i Josafata sy ny olona dia tsy ny handrangaranga lefona na sabatra na fitaovam-piadiana hafa fa hihira fiderana hoe : « Miderà an’i Jehovah , fa mandrakizay ny famindrampony  » , ka rehefa nihira ny mpihira dia niditra an-tsehatra tamin’ny fomba mahavariana Andriamanitra , tsy nila nanao afa-tsy fiderana ny Joda fa Andriamanitra kosa no nampifandringana ireo fahavalo telo toko : ny avy any Seira sy ny taranak’i Amona sy Moaba , ka dia ringana avokoa izy rehetra . Minoa an’ Andriamanitra , asandrato ny fiderana Azy fa Jehovah hiady ho anareo » (Eks 14.14) .

Fanontaniana :

Hatraiza ny finoanao ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

15 Oktobra 2020

Hits: 194

Mofonaina

Ny olona miandry ny fanjakan’Andriamanitra

MARKA 15 : 42-47
15:42 Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan’ny Sabata),
15:43 dia avy i Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan’ny Synedriona sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin’i Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesosy.
15:44 Ary gaga i Pilato raha maty sahady i Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.
15:45 Ary rehefa nahare tamin’ny kapiteny izy, dia nomeny an’i Josefa ny faty.
15:46 Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin’ny fasana, izay nolavahana tamin’ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin’ny varavaran’ny fasana izy.
15:47 Ary i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.

1-Mahafoy ny fombafomba nahazatra

« Dia avy i Josefa avy any Arimatia , lehilahy manan-kaja izay isan’ny Synedriona… » (and43a)

Andro fiomanana amin’ny Sabata lehibe ao anatin’ny herinandron’ny Paska , izay manomboka Sabata ka mifarana Sabata manaraka no nidiran’ i Josefa tao amin’i Pilato ka nangatahany ny fatin’i Jesoa , izay fady teo amin’ny Jiosy . Ary ny olona manao izany dia tsy mahazo mankalaza ny Sabatan’ny Paska. Nafoin’i Josefa ny fankalazana ny Paska noho ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra . Noho izany , ny olona miandry ny fanjakan’ Andriamanitra dia mahafoy ireo fombafomba noho ny fitiavana an’i Jesoa , Ilay hampiditra azy ao amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny andro farany . Fianarana ho antsika rehetra koa izany .

2-Sahy miseho ho mpianatr’i Kristy

 » sahy niditra tao amin’i Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesoa » (and43b)

Fananan’ny Romana ny fatin’ny olona voahombo amin’ny hazo fijaliana ka avelany ho raraka eo izany , fa tsy azo averina any amin’ny fianakaviana anaovana fikarakarana , izay tena zava-dehibe teo amin’ny Jiosy . Maha-voaheloka ihany koa ny fisehoana ho naman’ny olona voaheloka tahaka izao . I Josefa , ilay mpianatr’i Jesoa di a tao amin’ny mandgingina no nangataka ny fatin’i Jesoa noho ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra . Araka izany , ny olona te- handova ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy menatra amin’ny maha- mpianatr’iJesoa azy , ilay voahombo teo amin’ny hazo fijaliana . Sahy nijoro ho mpianatr’i Kristy izy na dia tao anatin’ny fotoana sarotra aza . Fianarana ho antsika rehetra izany .

Fanontaniana :

Ahoana no hialanao amin’ireo fombafomba mbola ataonao nefa manakana anao tsy handova ny fiainana mandrakizay ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

12 Oktobra 2020

Hits: 130

Mofonaina

Ny olona feno ny Fanahy Masina

ASAN’NY APOSTOLY 13 : 6-12
13:6 Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
13:7 izay nitoetra tao amin’i Sergio Paolo, governoran’ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an’i Barnabasy sy i Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin’Andriamanitra.
13:8 Fa i Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
13:9 Fa i Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy
13:10 ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lalamahitsin’ny Tompo va ialahy?
13:11 Ary, indro, ankehitriny ny tanan’ny Tompo hamely an’ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’ izay ny mampanjambena sy ny haizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
13:12 Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin’ny fampianaran’ny Tompo.

1-Sahy manambara ny fahadisoan’ny hafa

« Ialahy feno fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra , zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra » (and10)

Rehefa feno ny herin’ny Fanahy Masina iPaoly dia tsy nisalasala nilaza tamin’ny fahasahiana ny faharatsian’i Barjesosy mpamitaka, fetsy , mpanohitra sy mpamilivily ny teny fahamarinan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy . Noho ny herin’ny Fanahy Masina tao aminy no nahasahian’i Paoly niteny tahaka izany . Araka izany , rehefa itoeran’ny herin’ny Fanahy Masina ny olona manana fahasahiana hanambara ny faharatsian’ny hafa , indrindra ny fahavalon’ny Filazantsara . Koa mangataha amin’Andriamanitra sy Jesoa Kristy mba hanomezany anao hatrany ny Fanahy Masina hanana fahasahiana hanambara ny fahadisoan’ny hafa.

2-Sahy manambara ny loza hanjo ny hafa

« Ary , indro ankehitriny ny tànan’nyTompo hamely an’ialahy dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha » (and11)

Noho ny herin’ny Fanahy Masina , izay niasa tao amin’i Paoly dia niteny tamin’ny fahasahiana izy fa ho tonga jamba i Barjesosy , ary ny tànan’Andriamanitra izay midika ny heriny sy ny fanatrehany no hahatonga izany . Dia tonga taminy izany loza izany . Marihana fa efa nihatra tamin’iPaoly izany fony izy mbola nanohitra ny Fiazantsara . Araka izany , ny olona izay manohitra ny Filazantsara dia hain’Andriamanitra ny manajamba azy mba tsy hahitany ny fahatsaran’ny fahazavan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy . Koa angataho ny Fanahy Masina hitoetra ao aminao hatrany , hanananao fahasahiana hilaza loza vokatry ny tsy finoana amin’ny hafa ianao.

Fanontaniana :

Inona ny fahasahiana anananao vokatry ny asan’ny Fanahy Masina ao anatinao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

10 Oktobra 2020

Hits: 188

Mofonaina

Ny mpino miatrika ady

TANTARA VOALOHANY 14 : 8-17
14:8 Koa nony ren’ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan’ny Israely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
14:9 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny Lohasahan’ny Refaita.
14:10 Ary i Davida nanontany tamin’Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
14:11 Dia niakatra nankao Bala-Perazima i Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian’Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’izany tany izany hoe Bala-Perazima.
14:12 Dia nilaozan’ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo.
14:13 Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
14:14 Dia nanontany tamin’Andriamanitra indray i Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ny tandrifin’ny hazo balsama.
14:15 Ary raha toa mahare fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balsama ianao, dia miainga amin’izay hiady; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ny Filistina.
14:16 Ary dia nanao araka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida, ka dia namely ny miaramilan’ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
14:17 Ary ny lazan’i Davida niely teny amin’ny tany rehetra; ary nataon’i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’i Davida.

1-Manontany an’ Andriamanitra

« Ary Davida nanontany an’ Andriamanitra …Dia hoy i Jehovah , miakara fa hatolotro eo an-tànanao izy » (and10) .

Vao voahosotra ho mpanjakan’Israely rehetra i Davida dia tonga hiady taminy tao Refaita ny Filistina . Nanontany an’ Andriamanitra i Davida na hiaraka aminy Izy na tsia . Rehefa nambaran’ Andriamanitra taminy fa hampandresy azy Izy , dia niroso tamin’ny ady i Davida ka dia nandresy . Nanankina ny adiny tamin’Andriamanitra i Davida fa tsy niankina tamin’ny heriny sy ny fahaizany miady . Araka izany , ny olom-boahosotr’ Andriamanitra miatrika ady dia tsy maintsy manankina ny adiny amin’Andriamanitra mba hanehoan’Andriamanitra ny heriny , hahazoana fandresena ao anatin’ izany . Ny modely amin’izany dia i Jesoa Kristy .

2-Manaiky hotarihan’ Andriamanitra

« aza mandeha…miaingà amin’izay hiady , fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra » (and14,15)

Taty aoriana , tonga tao Refaita indray ny Filistina hanafika an’iDavida . Rehefa avy nanontany an’Andriamanitra indray i Davida , dia nanome torohevitra azy Andriamanitra , ary nanaraka izany izy . Vokany : resy tosika ny miaramilan’ny Filistina . Rehefa miatrika ady dia araho ny torohevitra sy ny toromarika omen’Andriamanitra anao amin’ny alalan’ny teniny sy ny bitsiky ny Fanahy Masina , fa aza mandeha araka ny sitraponao mba hahitanao ny fahombiazana eo amin’ny ady atrehanao miaraka amin’Andriamanitra , ary izany no nahatonga an’i Jesoa Kristy nandresy hatramin’ny herin’ny fahafatesana aza satria nanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra .

Fanontaniana :

Raha sendra olana sy zava-manahirana hianao, ahoana ny fomba fiatrehanao izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

07 Oktobra 2020

Hits: 194

Mofonaina

Ny olona mahiratra

JAONA 9 : 35-41
9:35 Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?
9:36 Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
9:37 Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
9:38 Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
9:39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
9:40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?
9:41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.

1-Manaiky ny fahefan’i Jesoa

« Ary hoy izy : Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy » (and38)

Rehefa nijoro ho vavolombelona tamin’ny nampahiratan’i Jesoa ny masony ilay lehilahy teraka jamba dia noroahan’ny Jiosy izy , ka tonga teo amin’iJesoa . Ary teo no nanaovany ny fanekem-pinoana hoe: « Tompoko , mino aho« . Sady nanaiky ny fahefan’i Jesoa izy no nanaiky fa Izy tokoa no KRISTY . Ny olona mahiratra ara-panahy no mahay manaiky ny fahefan’i Jesoa Kristy, Ilay fahazavana izay manazava ny mason’ny olona hahitany ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra . Tsy ho hain’ny olona tsy mbola mahiratra ara-panahy mihitsy ny hanaiky ny fahefan’i Jesoa sy ny maha-Kristy Azy. Koa maneke ampahiratin’i Jesoa Kristy ianao mba hanekenao ny fahefany .

2-Miala amin’ny fanamarinan-tena

« Hoy i Jesoa taminy … nefa hoy ianareo ankehitriny : mahiratra izahay , dia tsy afaka ny helokareo  » (and 41b)

Fahotana eo anatrehan’iJesoa Kristy , Ilay fahazavan’izao tontolo izao ny fiheverantena ho mahiratra , satria tsy andraisana famelankeloka. Ary izany no fahadisoan’ny Fariseo, satria nihevitra ny tenany ho manana ny fahamarinana teo anatrehan’i Jesoa izy ireo . Nambaran’iJesoa fa tsy mahazo famelankeloka izy ireo . Araka izany , ny olona mahiratra dia manaiky ny fahotany sy ny fahadisoany eo anatrehan’i Jesoa Kristy, Ilay fahazavana mba hahazoany famelankeloka sy fahamarinana amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy . Koa ekeo eo anatrehany ny fahotanao mba hanamarinany anao.

Fanontaniana :

Inona avy ireo toetra ahafahana milaza fa efa mahiratra eo anatrehan’i Jesoa ny olona iray ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

30 Septambra 2020

Hits: 231

Mofonaina

Ny fahatahorana an’ i Jehovah

OHABOLANA 9 : 7-12
9:7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
9:8 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9:9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
9:10 Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
9:11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao sy hanamaroana ny taona hiainanao.
9:12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ny tenanao ihany; fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’izany.

Ny fahatahorana an’ i Jehovah

1-Fiandoham-pahendrena

Ny olon-kendry dia manatanteraka fihetsika sy asa mifanaraka amin’ny zava-kendreny sy ny foto-kevitra ijoroany . Fahendrena ihany koa ny fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy , fahalalana ny paikan-damina sy ny fepetra mifehy ny tontolo , ary ny fifandraisana fanapahankevitra mifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny . Ny bokin’ny Ohabolana dia maneho amintsika fany fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena . Araka izany , raha misy milaza azy ho hendry nefa tsy manana tahotra an’Andriamanitra dia tsy hafa fa fahendren’izao tontolo izao . Fahendrena sadasada toy ny ataon’ny vahiny izay mifono fampianaran-diso .

2-Fahazavan-tsaina

Ny tena fahazavan-tsaina dia ny fananana toe-tsainamifanaraka amin’ny toromarika avy amin’ny Tompo , Ilay fahazavan’izao tontolo izao.Ny olona efa tapa-kevitra hiala tanteraka amin’ny aizina ka tsy manaraka ny fanaon’izao tontolo ao , mijoro amin’ny finoana , mitandrina ny toromarika avy amin’ny Avo indrindra dia Ilay nahary izao rehetra izao no manana fahazavantsaina . Nomen’Andriamanitra saina mba hanovozana fahalalana isika . Tano mafy àry izay anananao fa fantatrao izao fa « ny fahafantarana ny Iray masina no fahazavan-tsaina  » (and 10) . Koa miorena tsara, aza miova.

Fanontaniana :

Tanisao ireo maha-zava-dehibe ny Tompo.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

28 Septambra 2020

Hits: 160

Mofonaina

Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

EFESIANA 5 : 8-12
5:8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava (
5:9 fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
5:10 mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo.
5:11 Ary aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
5:12 Fa izay ataony ao amin’ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.

Ny  vokatry  ny mazava dia :

1-Ao amin’ny fahatsarana rehetra

Ambaran’i Paoly  eto mazava fa ao amin’ny Tompo  isika ankehitriny . Miara-dàlana  amin’izany ny fitaomana antsika tsy hiray petsapetsa amin’ny asan’ny maizina . Tanterahina amin’ny fanaovana asa tsara izany .Fomba fiasa mazava , mahasoa , maharesy lahatra , manitsy izay diso , mitaiza  amin’ny fahamarinana, ary mizotra  ho amin’ny fahatanterahana  (2 Tim 3.16) . Ny fahatsarana  ambara eto àry dia fahatsarana  eo anatrehan’ny Tompo aloha, mitohy eo amin’ny mpiara-manompo ary azo ijoroana vavolombelona amin’ny tranga rehetra  sy ny sehatra rehetra.Fihetsika  faka tahaka. Tsy hiandrasana dera na laza aman’ olona fa atao ho an’ny Tompo .

2-Ao amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana

Ny teny  hoe : fahamarinana dia avy  amin’ny teny hoe : marina , toy ny marindrano  ka tsy misy avo sy iva fa mitovy tantana  lalandava.Tsy miankina  amin’ny tontolo  misy azy no mahatonga  ny rano ho marindrano na tsia  fa amin’ny sehatra rehetra . Raha ao anaty tavoahangy ny rano , na tsy manaraka   ny jidina aza ny tavoahangy , eny fa na dia  hatongilana aza , ny marindrano  tsy miova  fa eny hatrany . Toy izany koa no takiana amintsika mpanara-dia  ny  Tompo . Tsy hanao  tahaka ny tanalahy  ka mora hiova loko  , na tahaka ny trandraka ka hanaraka volontany.

Fanontaniana :

Inona avy ireo  fihetsika sy fitondrantena  ary  toetra mampiavaka ny olona mandeha amin’ny fahazavana ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE FJKM