3 martsa 2018

Hits: 47

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Manavaka ny mpaminany marina sy sandoka ny Tompo ary manome fitarihana antsika fa Andriamanitra no tokony hohenoina sy handraisana fanolorantsaina . Tsy manafina ny marina tokony hambara ny mpaminany marina ary tsy manova izay hanirahana azy na zavatra tsy mahafaly ny olona aza izany indraindray .

Matio 4.12-17

Soratra masina

1- « Mibebaha », hoy ny Tompo !
Mandidy antsika hibebaka ny Tompo amin’izao andro farany izao. Ny nahafoizany ny ainy ho fisoloana antsika teo amin’ny hazofijaliana dia ny mba hanafaka antsika amin’ny fahotana. Koa aoka isika hiala amin’ny ratsy fanao, izay mampisaraka antsika Aminy. Ny fibebahana no làlana hitodihana amin’Andriamanitra ary hiambohoana ny faharatsiana rehetra isan’andro. Manatòna an’I Jesoa Kristy mba hodioviny sy horaisiny ary hanao ny asany ka ho tonga zanak’Andriamanitra rehefa tarihin’ny Fanahiny.

2- « Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra »
Te hanome fampanantenana feno sy mazava ny fihavian’ny fanjakan’ny lanitra ny Tompo. Tanteraka tamin’ny nampiakarana Azy any an-danitra ny fanokafany ny varavaran’ny lanitra mba hampidirany antsika. Manomana antsika hiara-mitoetra Aminy ny Tompo ka aoka ho vita fihavanana Aminy isika. Ampy ny fitarihany antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, koa mivonòna hanatrika ny Tompo. Mivoha ho an’ izay manaiky an’I Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy ny fanjakan’ny lanitra.

Fanontaniana :
Vonona ve ianao amin’izay voalaza eto ?