Hits: 479
EDITORIALY
Ry havana malala!
Ho aminao anie ny fiadanan’ny Tompo Jesoa
“Miverena amin’ny Tompo Andriamanitrao”
Lohahevitra vaovao indray no hitaomana antsika Fiangonana amin’ity volana martsa ity. Hiditra ny vanim-potoanan’ny Karemy rahateo isika izao ka ampirisihina mba handini-tena sy hanamasina ny fiainantsika.
Koa miantso antsika mba hiverina amin’ny Tompo ny lohahevitra eto.
Mirary soa ho antsika rehetra hamakivaky izao vanim-potoanan’ny Karemy izao ary dia handray Famonjena lehibe entin’ny Paska 2020.
“Miverena ianao, hoy ny Tompo; …; fa hamindra fo Aho, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay” Jer. 3: 11
Ho tanteraka amintsika tokoa anie izany
Ny Mpitandrina