07 Desambra 2019

Hits: 279

Ny Teninao no Fahamarinana

Fandalinana ny Boky JEREMIA

JEREMIA 51 : 33-64
51:33 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; ny zanakavavin’ i Babylona dia tahaka ny famoloana. Tonga ny fotoana hanosena azy; eny, rehefa afaka kelikely dia ho avy ny fotoana hijinjana azy.
51:34 Efa lanin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona aho, naringany aho, napetrany toy ny vata foana aho, nateliny toy ny fitelin’ ny dragona aho, nivokisan’ ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
51:35 Ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an’ i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
51:36 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin’ ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
51:37 Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan’ ny dragona, ho figagàna sy zavatra mampisitrisitra ka tsy hisy mponina
51:38 Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
51:39 Amin’ ny fahalinany no hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravoany, dia hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
51:40 Hampidiniko ho any amin’ ny famonoana toy ny zanak’ ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin’ ny osilahy.
51:41 Endrey! afaka Sesaka! ary azo ilay fideran’ ny tany rehetra; endrey! tonga figagàna any amin’ ny firenena Babylona!
51:42 Ny ranomasina nanafotra an’ i Babylona; voasaron’ ny habetsahan’ ny onjany izy.
51:43 Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan’ olona sady tsy misy zanak’ olombelona mamaky eo.
51:44 Ary Bela dia hofaiziko any Babylona ka hasaiko haloan’ ny vavany izay nateliny; ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; eny, ny mandan’ i Babylona dia hirodana.
51:45 Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny fanahiny avy ianareo, mba tsy ho azon’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
51:46 Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin’ ny tany; fa amin’ ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin’ ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy herisetra amin’ ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
51:47 Koa indro, avy ny andro hanaovako fitsarana amin’ ny sarin-javatra voasokitr’ i Babylona; ary ho very hevitra ny taniny rehetra; ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
51:48 Amin’ izany ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihira noho ny amin’ i Babylona, satria ho tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
51:49 Toy ny nampiampatramparan’ i Babylona ny faty tamin’ ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan’ ny faty amin’ ny tany rehetra ao Babylona.
51:50 Ianareo izay tsy voan’ ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo, ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
51:51 Very hevitra izahay, fa efa nandre latsa; manarona ny tavanay ny henatra; fa ny vahiny no niditra teo amin’ ny fitoerana masina amin’ ny tranon’ i Jehovah.
51:52 Koa indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hanaovako fitsarana amin’ ny sarin-javany voasokitra, ary hitoloko eran’ ny taniny rehetra ny voaratra.
51:53 Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hiavian’ ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
51:54 Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana!
51:55 Fa Jehovah no nanimba an’ i Babylona sy nandrava ny fihorakorahany teo aminy, raha mirohondrohona toy ny rano be ny onjany, dia re tokoa ny feon’ ny firohondrohony.
51:56 Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; tapatapaka avokoa ny tsipìkany, fa Jehovah Andriamanitry ny famaliana no hamaly tokoa.
51:57 Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny mpifehiny sy ny mpanapany ary ny olo-maheriny. Ary hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah Tompon’ ny maro no anarany.
51:58 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa, ary ny vavahadiny avo hodorana amin’ ny afo, ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an’ ny afo, ka ho reraka.
51:59 Ny teny izay nandidian’ i Jeremia mpaminany an’ i Seraia, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin’ i Zedekia, mpanjakan’ i Joda, ho any Babylona tamin’ ny taona fahefatra nanjakany.Fa io Seraia io no lehiben’ ny tandapa.
51:60 Koa nosoratan’ i Jeremia teo amin’ ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an’ i Babylona, dia ireo teny rehetra izay voasoratra ny amin’ i Babylona.
51:61 Ary hoy Jeremia tamin’ i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,
51:62 Ka manaova hoe: Jehovah ô, Ianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
51:63 Ary izao no hisy, rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izany;
51:64 Ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’ i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto ny tenin’ i Jeremia.

Rehefa ampilaharina ny fitsingidinan’i Babylona sy ny fisandratan’Israely sy i Joda dia vao mainka misongadina ny fandresen’ny Tompo.

1-Mitsotsori-midina hatrany i Babylona
Nanomboka tamin’ny fotoana nitenenan’ny Tompo fa hamaly an’i Babylona ny raharaha (and33). Ny Tompo mihitsy no miady aminy ka dia resy tanteraka izy (and36), tsy vitan’izay , rava i Babylona ka tsy nahataona tao aminy intsony ny Israely sy i Joda izay nobaboiny izy . Fahafatesana no manenika ny tanin’ny Kaldeana (and47).

2-Mankalaza ny fandreseny ny Tompo
Fahafahana ho an’ny babo no nateraky ny famalian’ny Tompo ny namelezana ny olony (and48). Hatrany amin’ny bokin’ny Apokalypsy no mbola hiderana ny Tompo noho ny hahatanterahan’ny fandravana an’i Babylona (Apo 18.20) »…toy izao no hilentehan’i Babylona ka tsy hifongarany intsony … » hoy ny namaranan’i Jeremia ny faminaniany (and64).
Miantso antsika ny mpanao salamo noho izany manao hoe: « Mihirà fihiram-baovao ho an’ny Tompo , fa efa nanao fahagagana Izy , ny tànany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena « Sal 98.1

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6