Hits: 363
EDITORIALY
Ry havana malala!
Manonona ny fiadanan’ny Tompo Jesoa amintsika rehetra
“Metèza ho fenoina ny Fanahy Masina”
Ao anatin’ity volana jona ity, araka ny taom-piangonana, dia hankalaza sy hahatsiaro ny nidinan’ny Fanahy Masina indray isika, dia ny Pentekosta izany. Izany rahateo no anton’ny lohahevitra banjinintsika, voalaza etsy ambony, ka hifampizarantsika sy hibaiko antsika amin’ireo isan-tokom-panompoana miandry antsika.
Miangavy antsika ny Tompo araka izany satria tombontsoa maro no entin’ny Fanahiny Masina ho antsika raha mety handray izany isika:
- Mampiombona antsika ny Fanahy Masina na dia manana ny maha-samy hafa antsika aza isika (Asa 2: 4).
- Hery mandrisika antsika hitory ny Filazantsara ny Fanahy Masina (Asa 4: 31).
- Manampy antsika amin’ny fifanampiana sy ny fifandaminana ny Fanahy Masina (Asa 6: 3).
- Manome toky antsika ho afaka hiatrika ny olana sy ny fahoriana ny Fanahy Masina (Asa 7:55).
- Manitsy antsika amin’izay fahadisoana sy miaro antsika amin’ny fakam-panahy ny Fanahy Masina (Asa 9: 17).
- Mitaona antsika ho amin’ny fanoloran-tena sy fampiroboroboana ny finoantsika ny Fanahy Masina (Asa 11: 24.
- Ny Fanahy Masina irery ihany no hahafahantsika mifanatrika mivantana amin’i Jesoa Kristy (Asa 13:9).
Koa inoana fa samy handray sy hanao ho zava-dehibe izany Fanahy Masin’ny Tompo izany isika satria tombontsoa ho antsika izany.
Hoy ny Soratra Masina “Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy” Gal. 2: 25.
Mba ho isan’izay mpino feno ny Fanahin’ny Tompo anie isika. Mahereza indrindra!
Ny Mpitandrina