Hits: 301
Fandalinana ny Boky 2 Samoela
SAMOELA FAHAROA 22 : 1 – 19
22:1 Ary i Davida nanao izao fihirana izao ho an’i Jehovah tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tanan’ Ary i Davida nanao izao fihirana izao ho an’i Jehovah tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tanan’i Saoly,
22:2 ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
22:3 Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ny fampahoriana Ianao.
22:4 Miantso an’i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko.
22:5 Fa nihodidina tamiko ny onjan’ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
22:6 Ny famatoran’ny fiainantsihita nihodidina tamiko, Nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
22:7 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; Nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
22:8 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan’ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
22:9 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
22:10 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary haizim-pito no teo ambanin’ny tongony.
22:11 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin’ny ela-drivotra Izy.
22:12 Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina.
22:13 Ary avy teo amin’ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
22:14 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
22:15 Dia nandefa zana-tsipika Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.
22:16 Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin’ny tany, noho ny teny mafy nataon’i Jehovah, noho ny fifofofofon’ny fofonain’ny vavorony.
22:17 Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ny rano be Izy.
22:18 Namonjy ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’izay nankahala ahy, satria tsy leok Namonjy ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
22:19 Nisakana ahy tamin’ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
Hira fiderana no iombonantsika amin’i Davida eto:
1-Anehoany ny fifamatoram-pisiana eo aminy sy ny Tompo(and2-3)
Ny Tompo , hoy izy dia « harambatoko, batery fiarovana, Mpamonjy, fiarovana avo ho ahy sy fandosirako, vatolampiko, ialofako, ampingako, tandroko famonjena ». Etsy ankilany : ahy Izy ary Azy aho. Izany no ambarany. Isika izay mahalala an’i Jesoa , Tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany (Mat 28.18) , mba afaka miteny toy izany koa ve?
2-Anambarany ny fomba ifandraisany amin’ny Tompo (and4-7). »Miantso an’i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko » (and4). Izay no tsiambaratelon’ny fandreseny : ny fifandraisany amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka. Iza amintsika no tsy mbola nanandrana ny hasarodin’ny vavaka mahavonjy?
3-Ankalazainy ny fidiran’ny Tompo an-tsehatra hanatanteraka famonjena (and8-10). Sary an’ohatra no itantarany ny fahatongavan’ny Tompo hamonjy azy . Famonjena azo antoka satria Mpamonjy mahery , azo antoka no miady ho,azy. Isika koa , ao amin’i Jesoa Andriamanitra tonga nofo , mpandresy isika . Andriamanitra amintsika Izy .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3