Hits: 401
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ny voaloanteny dia misaotra an’Andriamanitra satria tafatsangana tokoa ny sampana dorkasy eto Québec anio. Misaotra ny ray aman-dreny mpitandrina mivady ihany koa izay vy nahitana sy angady nananana ka nahatonga izao sampana izao ho tafajoro soa aman-tsara. Ary tsy adino koa anefa isika mpianakavy ny finoana eto amin’ny fitandremana izay namaly ny antsonay.
” Maro ny zazavavy nanao soa, fa ianao manoatra noho izy rehetra. Fitaka ny fahatsaram-bika ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy. Fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina” Ohabolana toko faha 31: 29-30. Ry vehivavy dorkasy eto amin’ny Fitandremana FJKM Québec, izany Teny fikasan’Andriamanitra ho antsika vehivavy izany no entiko iarahabana anareo sy rariako ho tanteraka amintsika rehetra. Sarobidy loatra amin’Andriamanitra isika vehivavy ka nomeny andraikitra ho vady hanohana sy hanampy ary ho reny mitaiza sy feno fitiavana. Tsy mijanona eo fa mbola anankinany andraikitra eto anivon’ny Fiangonana anatin’izao sampana Dorkasy izao.
- Mitory sy manambara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy.
- Manolokolo sy mitaiza ny tanora sy ny ankizy ary ny olon-dehibe amin’ny lafiny rehetra : saina, vatana, fanahy.







