Hits: 88180
Teny fanolorana

Ry Havana,
“Fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin’ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin’izay anananao rehetra”. ( I Sam25.6 b) ; izany no firariantsoa tonononay aminao izay mitsidika ity tranokalan’ny Fiangonana FJKM Kebeka – KANADA.
Toro-lalana ho an'ny olona vao tonga

Miharahaba antsika amin’ny anaran’ny Tompo
Fifaliana ho anay ato amin’ny sampana Dorkasy eto anivon’n FJKM Kebeka no manolotra ho antsika maimaim-poana ity torolalana ity ho fanampiana ny namantsika Malagasy rehetra tsy ankanavaka izay vao tonga eto Kebeka.
Indro alefa eto ny rohy momba izany ary koa ny rohy misy ny “foire aux livres” izay atolotry ny sampana Dorkasy.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Asa vavolombelona

Ry havana,
I Andraina Rakotoseheno dia nanao “projet personnel” famaranana ny fianarany. Ny safidiny dia ny fanaganana tranokala momba ny baiboly mitondra ny lohateny hoe : “La Bible c’est tout une histoire”
Mankasitraka indrindra Andraina.